Tonga soa!
|
|
mifandray amin'ny teny |
|
|
|
| Fanandratana ny Teny malagasy | Herinandron'ny fanagasiana ny teny |
Ho fampiharana ny Didim-pitondrana laharana 93.302 tamin’ny 27 Mey 1993* nanavao ny firafitry ny Akademia malagasydia ny Didy fanapahana laharana 001/93 tamin’ny 28 Mey 1993** noraisin’ny Filohan’ny Akademia malagasy, Dr Césame Rabenoro no nanorina ny Foibe momba ny Teny nametrahana ny andraikitra handrindra
- Ny asam-pikarohana
- Ny asa fanandratana
Ny Teny ary iantsoroka ihany koa ny andraikitra ana Ofisim-pirenena momba ny Teny
Ny teny faneva novoizina tamin’izany dia : « Ny teny no fitaovana voalohany ho fampandrosoana », « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko »
Ny nidiran’ny Foibe momba ny Teny ho isan’ny mpikambana tao amin’ny RINT (Réseau International de néologie et de Terminologie) sy RIOFIL (Réseau International des Observatoires Francophones des Industries de la Langue) izay nivondrona ho RIFAL (Réseau International Francophone d’Aménagement Linguistique) taty aoriana dia nahafahany nahazo, nanomboka tamin’ny taona 1993 . Ireo boky mirakitra voka-pikarohana momba ny terminôlôjia mbamin’ny haitao vaovao izay ampiharina eo amin’ny sehatry ny fandinihana ny Teny sy Fampandrosoana nataona mpikaroka avy amina firenena maro samihafa.
Izany dia nentiny niatrika ny fampiroboroboana ny Teny malagasy araka ny fomba takian’izao vanim-potoana isian’ny fivoaran’ny teknôlôjia eo amin’ny lafiny fifandraisana izao sy nanohanana ny Akademia malagasy eo amin’ny zara andraikiny miahy ny lafiny Teny.
Koa teo anelanelan’ny taona 1993 – 1995 dia nirotsaka tamin’ny fanofanana olona vitsivitsy nandalina ny Teny malagasy teny amin’ny fampianarana ambony sy infôrmatisianina iray momba ny fikirana ny Teny amin’ny alàlan’ny fampiasana fitaovana infôrmatika ny Foibe mba hirosoana amin’izay fampiroboroboana ny Teny malagasy izay.
Izany fanofanana izany dia naompana indrindra tamin’ny :
- fikirana ny Teny amin’ny alàlan’ny fitaovana infôrmatika
- ny fampiasana ny HTML eo amin’ny fampiasana akoran-kevitra
- fananganana habaka sy banky angona amina fiteny maro azo kiraina amin’ny internety
Izany fiofanana izany dia nampombana fampitaovana ny Foibe, toy ny solosaina matanjaka araka izay nilainy ary fampiasana lôzisialy mifanandrify amin’izany lahasa izany :
- Toolbox
- Sf Converter
- Sil encore Font Système sy ny maro hafa izay nahazoana mampiasa ny banky angona natsangana tamin’ny 1996 sy miatrika ny hetahetan’ny fiarahamonina araka izay azo atao.
Nanomboka 1998 dia nisy ihany koa fananganana komity momba ny asa ary efa manatanteraka ny andraikiny ankehitriny eo amin’ny :
- fampiorenam-paka ny fomba fanoratra ny Teny malagasy,
- fanagasiana ny Teny vahiny ka ny vokatra azo tamin’izany dia nanaovana velakevitra teny amin’ny Akademia malagasy teny Tsimbazaza
- fanatonana ireo mpiandraikitra amin’ny sehatra anaovana fandinihana.
Nanomboka tamin’ny 2002, ho tsangambaton’ny fankalazana ny Faha-100 taonan’ny Akademia Malagasy, dia niroso tamin’ny fanefena Rakibolana Rakipahalalana ny Foibe momba ny Teny sady ho fandraisana anjara amin’ny fanandratana ny lovantsaina malagasy :
ny boky voalohany amin’io Rakibolana Rakipahalalana io dia ahitana teny iditra miisa 35 000, ny 10 000 amin’izany dia zana-teny iditra ary voarafitra ho boky tamin’ny 2005, vita printy ny faran’ny taona 2008.
Ny boky faharoa izay efa natomboka tamin’ny 6 Novambra 2008 ny famolavolana azy dia miompana amin’ny anaran-tsamirery (olona, vondron’olona,vohitra na toera-manan-tantara…).
Misy ihany koa komity manokana ahitana solotenan’ny sokajy rehetra ao amin’ny Akademia Malagasy miaraka mamolavola ny politika momba ny Teny hamaritana mazava ny satan’ny Teny malagasy manoloana ny Teny vahiny.
Mbola asa sahanin’ny Foibe ihany koa ny famaliana ny hetahetan’ny fiarahamonina eo amin’ny lafiny fandikan-teny hatramin’ny 2002 sy fampiorenam-paka ireo voambolana avy amina sehatrasa maro, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.
Ny Foibe dia mandray anjara mavitrika ihany koa amin’ireo hetsika fampiroboroboana ny Teny malagasy, amin’ny alàlan’ny fanaovana fampirantiana, na atrikasa fanentanana sokajin’olona maro, mandritra ny volana Jona isa-taona izay iarahany manatontosa amin’ireo sampan-draharaha maro ao amin’ny ministera isan-tokony, ny fampianarana ambony, orindraharaha sy tsanganasa samy hafa,ireo fikambanana
misahana ny amin’ny kolontsaina sy sekoly maro hafa.
Ny teny fanevanentina nanentana tamin’izany dia ireto :
- 2000 Teny malagasy : teny fiasana, teny fifandraisana
- 2001 Toaviko ny teniko, hifarimbonantsika
- 2002 Teny, tany sy Tanindrazana
- 2003 Ndao hanao tomban’ezaka
- 2004 Ahitsiho ny diso
- 2005 Anehoan hevitra manara-penitra
- 2006 Teny malagasy sy ny asa fampandrosoana
- 2007 Aoka ho tanjona ny fahafehezana ny Teny malagasy aminy maha Teny ôfisialy azy
- 2008 Ny Teny malagasy : ibeazako, ahombiazako
- 2009 « Teny malagasy, Teny velona »
- 2010 « Tovozy an-doharano tsy ritra ny harentsaina malagasy »
- 2011 « Zahay koa mahalala. Zahay koa mahay »
Ary ny fandaharana Vahatra izay mandeha isan’andro ao amin’ny televizionam-pirenena dia natao hanehoana ireo haren-tsaina raketin’ny Teny malagasy sy fampitaovana voambolana ny Malagasy ary koa ho fampiorenam-paka ny Teny vao voarakitra ao amin’ny banky angona, akora iasan’ny Foibe momba ny teny.
Ny fampiasana internety sy ny fananany habaka hampahafantarana ny zavamisy ao aminy mbamin’ny andraikitra sahaniny dia nampivelatra fatratra ny asa fampiroboroboana ny Teny malagasy satria tamin’ny alàlan’izany no nahazoany mifanerasera amin’ireo mpikaroka sy maharay voka-pikarohana,tsy ny avy eto an-toerana ihany fa avy any am-pita ihany koa.
Fa sehatra ahazoany mifandray amin’ny mpanjifa ihany koa ny habaka http://www.teny.org izay natsangany tamin’ny Desambra 2001,ary tamin’ny alàlan’izany no nahafahany mifandray amina fikambanana na ivon-toerana mandray anjara amin’ny fikajiana sy fampiroboroboana ny Teny malagasy toy ny :
http://www.firaketana.org (mpiandraikitra : Jean Marie de la Beaujardière)
http://www.chez.com/zomare/ldn.html (mpiandraikitra fikambanana Zomaré - Jean Michel Lacroix)
