Ny fitafian'ny malagasy

Ny fitafian'ny malagasy

Amin’ny fitafiany no saiky ahafantarana aloha indrindra ny firenena nihavian’ny olona vao izao vao ny fomba fitenenany. Samy manana ny fombam-pitafiany daholo tokoa ny olona rehetra, ka ny maro dia ny fitafiana nentim-paharazany ihany, fa ny an’ny sasany novana kely ary ny sasany kosa dia nariana tanteraka ka nosoloana ny fitafiana fanaon’ny vahiny. Ry zareo Vazaha atao hoe Tandrefana izay miara monina amintsika ka efa nianaran’ny ankamaroany ny fomba fitafiany, ka izay efa manao fitafiana tahaka ny azy no lazainy hoe olona efa mandroso fahendrena na civilisés. Izany no ilazan’izy ireo fa hoe efa arivo taona maro no nampihenahena ireo Hindous tsy mba nety nandroso tamin’ny civilisation, ka izay fomba fitafiany sy fiainany tamin’izany ihany no mbola fombany ankehitriny. Marina fa amin’izao fotoana izao dia mbola misikina sy misalaka tokoa ireo Hindous ireo, araky ny fomba nentim-paharazany. Nefa kosa raha ny fandrosoana sy fahaizan-javatra izay hany azo lazaina ho tena fandrosoana no ho lazaina dia efa an’arivo taona maro no nahavitany ireny trano kanto atao hoe pagode izay mbola igagan’ny Ingénieur ankehitriny aza. Ary moa tsy fantatra fa amin’ireo Hindous misalaka sy misikina ireny dia efa maro no nahavita fianarana ambony tamin’ny sekoly ambony tany Eropa ? Amin’ireny misalaka miseho tratra sy miseho kibo ireny dia misy manana diplaoman’ny ingénieur, docteur es science, docteur en médecine, docteur en droit toa andr’i Gandhi. Marina ary, fa tsy azo tsaraina amin’ny endriny sy ny fitafiany tokoa akory ny fahendren’ny olona, ka diso izay milaza fa izay mitana ny fomban-drazana dia mbola olona baribarianina tsy manana fandrosoana. Ny ohabolan’izy Vazaha ihany aza no milaza hoe : Ne jugez pas les gens par l’apparence. Izany hoe aza mitsara toetr’olona amin’ny tarehy ivelany. Fa ny mahagaga dia avy ao amin’ny tany hindoustan voalaza io indrindra no tanindrazana nihavian’ny Vazaha eropeana maro ary fiteny sy fahendrena avy any no nampitomboiny tao Eropa. Tsy izany ihany fa avy ao amin’io tany lazaina tsy mandroso io indrindra no nipoiranny literatiora nalaza teto an-tany, ny filozofia ary ny Teolojia nosoratan’ilay olo malaza natao hoe Conficius izay efa talohan’i Mosesy (Moizy). Ka fantatra amin’ny tantara fa tany Atsinanana tamin’io tany io no nalehan’i Mosesy nianarany vao izay izy no nanoratra ny Jenesisy amin’ny baiboly, ka zanaka vavin’ny Mpisorona avy any no vadiny nentiny niverina tany Ejiptra. Ka dia lazainay mialoha fa tsy hafa fa io tany Hindoustan nihavian’ny Vazaha io ihany koa no nihavian’ireo Sah filohan’ny Malagasy tonga teto Madagasikara, dia avy amin’ireo Hindous izay voalazan’ny Vazaha fa tsy mety mandray ny Civilisation eropeana mandraka androany, ary mbola ahitana ireo olo mihaja mbola misalaka sy misikina araka ny fomban-drazany. Avy any Hindoustan sy Malaisie no nitondran’ny Malagasy ny finoana sy ny fombam-pivavahana boudiste, ary koa ny fomba fitafiana hatrany amboalohany araka ny fomban’ny Hindoustan ka mbola tsy arian’ny foko maro eto Madagasikara, indrindra fa ao amin’ny tapany atsimo. Fomba amin’ny fivavahana hindous ny tsy manao fitafiana afa tsy sikina na salaka raha miditra hivavaka ao amin’ny Pagode izy, ka izany hono no tena fanajana Zanahary. Dia toy izany ihany koa no mbola ataon’ny Malagasy raha manao saotra eny amin’ny Hazomanga izy na manao sorona. Any Hindoustan sy any Malezia ireo karazan’ny mpino naman’ireo Razan’ny Malagasy, dia mitafy lamba asalisaly ny lehilahy ary misikina sarintsarin-tsalaka amin’ny andavan’andro, dia mifehy loha lamba fotsy. Ny vehivavy dia misikina na manao zipo ary manao saron-tratra akanjo kely boritanana ka mampiseho kibo sy foitra, ka fomba tsy mahamenatra izany aminy. Ny vehivavy dia mitafy lamba misoratra izay sady isaronany loha. Io fampisehoana kibo sy foitra io izay mari-pinoany sy lazainy fa fanajana ny Zanahary izay nahary ny nofon’olombelona dia noraisin’ireo mpahay sary tao Eropa, ka nanaovany ny sarin’anjely mitanjaka, ary ireo Arkanjely miakanjo nefa miseho kibo sy foitra araka ny fivavahan’ny Hindous. Ka dia tsy misy tokony hahagaga antsika intsony ary noho izany raha nahita ireo razantsika nanao fitafiana toy ireo razambeny, ka nisikina sy nisalaka ny lehilahy, ary nikitamby ny vehivavy. Ka mbola maro ireo Malagasy namantsika ao amin’ny foko maro no mbola mahatana sy tsy mety manary ireny fomban-drazantsika ireny. Kanefa ireo izay mendrika ny fiderantsika ireo kosa no lazain’ny Vazaha vahiny ho olona adala sy tsy mety mandroso, satria tsy mba mety mianatra ny fombany. Tsy hadalany na tsy fandrosoany anefa no anaovany ireny fomba fitafiany ireny, fa ny fanajany ny fomban-drazany. Ka ny Imerina izay tonga any amin’izy ireo aza no omeny tsiny hoe : Mianatra fombam-bazaha ka nanary ny an’ny Razan’ny tena. Misy koa milaza fa ny fahantrana no iboridan’ireo Malagasy ao amin’ny faritany atsimo ao. Tsy marina koa izany, fa na ny Mpanjaka sy ireo mpanefoefo aza dia manao fitafiana toy ny namany rehetra ihany. Ary raha ny ankapoben’olona no jerena ao amin’ny Antandroy sy ny Mahafaly, dia azo lazaina fa manan-kamidy tokoa izy, satria iza moa no foko azo lazaina ho manana omby maro ohatry ny ao amin’ireo tany ireo ? Hatramin’ny Andron’Andrianampoinimerina aza dia mbola hita teto Imerina fa tsy hafa noho ny ataon’ny Antandroy sy Mahafaly ankehitriny no nataon’ny Malagasy rehetra teto afovoan-tany. Raha dinihina ny fombam-pitafian’ireo vahoaka atao civilisés ankehitriny dia toy izao no fantatra. Ny firenena arabo izay azo lazaina fa an’isan’ny tranainy indrindra tamin’izy ireo no tia fitafiana manarona ny tena rehetra, ka zara raha ahitana ny endrika. Ny vehivavy dia misaron-tarehy manontolo afa tsy hirika kely tandrifin’ny masony hijereny. Ny lehilahy dia manao akanjo lava mirebareba, ka toy izany koa no akanjon’ny Kristy noho izy karazan’Arabo ihany. Ireo mpitondra fivavahana katolika dia nanao akanjo mirebareba toy izany avokoa. Ary misy aza karazana masera izay misaron’endrika toy ny Arabo vavy koa ka mariky ny fahamaotonana no iheverany an’izany. Ny Jiosy taloha dia nanao fitafiana sahala amin’ny Arabo ihany ary nitafy lamba toy ny Malagasy koa na lehilahy na vehivavy. Fa ankehitriny izy dia efa nandray ny fomba fitafian’ny Vazaha noho izy ireo niely sy nonina tany amin’ny firenena samy hafa. Ireo Vazaha izay milaza ho tomponny civilisation ankehitriny dia efa nanary lamba hatry ny ela dia ireny izy mitena akanjo ireny daholo na lahy na vavy ka efa nianaran’ny ankamaroan’ny Malagasy. Fa ny nahagaga dia taty aoriana no nahitana fa ireo Vazaha ireo indray, asa na nahatsiaro ny Hindous razambeny fahizay izy, ka manandrana ny hiboridana tanteraka ny sasany. Tamin’izao taona faramparan’ny siècle izao dia efa lamaody ny mampiseho sandry, mampiseho tratra, mampiseho ranjo. Ny lehilahy dia mampiseho sandry sy fe. Eny amoron-dranomasina fandroana dia efa tsy mahamenatra intsony ny miboridana ka sarin-tsalaka kely manify ihany no hany anaovana, na lehilahy na vehivavy. Mbola manoatra lavitra noho izany aza, sady mahamenatra ny milaza azy, fa efa misy fikambanana nanao fifanekena hiboridana tanteraka na aiza aleha na aiza, ary na lahy na vavy. Soa ihany fa tsy neken’ny fanjakana io zava-doza io. Dia ireo no atao hoe Nudistes no anarany, izay manana fitoerana fivoriany na fitsangantsanganany mifefy tsara ka ao izy rehetra no miboridana daholo, na kely na lehibe na lahy na vavy, ka tsy mifampamenatra intsony na amin’ny olom-pady aza. Na ny Malagasy izay faran’ny tsy nandray civilisation indrindra aza, sy izay lazainy ho olon-dia indrindra dia tsy misy tsy maneso izany fomba izany, izay tsy hoe fomban’olon-dia (sauvage akory) no ilazana azy fa tena fombam-biby mihitsy, na ahoana na ahoana fanatsarany azy. Alohan’ny hilazana ny fomba fitafian’ireo Malagasy tonga avy any Atsinanana dia mba hotsahivintsika kely mialoha ny fitafian’ireo Vazimba razambentsika ary koa ny an’ny Antalaotra, na dia efa voalaza kely tany aloha aza. Araka ny lovantsofina izay notantarain’ireo olona antitra indrindra tratranay, dia tsy nahay nanenona lamba ny Vazimba, ka tsy nanana lamba izy, na akanjo. Nefa kosa nahay nandrary izy ireo, ka saiky avy aminy no nahaizan’ny Malagasy nandrary ireo karazam-bozaka sy kiran-javatra izay mbola fandrary mandraka ankehitriny. Nisikinany sy nitafiany ireny rary ireny, ary afa tsy izany, dia noladininy koa ireny bozaka ireny ka nataon’ny vehivavy toy ny kitamby na sikina mirozaroza lava. Efa voalaza tany aloha fa ny hoditr’omby na hoditr’osy na hoditr’ondry koa no lemeny sy kapokapohiny amin’ny menaka, ka tonga malemy azony isikinana sy itafiana toy ny lamba. Mbola fanaon’ny ao atsimo ao ny manalemy ireny hoditra manta ireny hatao fitafiana. Ny soratry ny volon’omby no mba toy ny sora-damba fihaingoana tamin’izany. Ka ireo loha olona toy ny Mpanjaka no mpitafy ny hoditry ny volavita izay tonga mari-piandrianana, ka natao hoe ombin’Andriana. (Mpiandry volavita tsy tompony fa mpamerin-doha) Hodi-dohan-janakomby miaraka amin’ny tandro-keliny no fanao satroka, ka dia tonga misy tandroka ohatry ny omby ny lehilahy, sady asiany rambony miramborambo amin’ny tany ilay hoditra isikinany, ka dia ohatry ny omby mijoro tongo-droa tokoa no fijery ilay olona. Izany no nahatonga ny anaram-panajana mandraka androany amin’ny foko maro hoe : Ny ombalahibe mantsy ny lehilahy lehibe manan-kaja. Izany koa no niantsoana an’Andrianampoinimerina hoe ny Ombalahibenoro. Ny filazana ny tarehin’ny soratr’omby izay mba lamban’ny taloha no nahatonga ny fitenenana hoe : (Tiako volo, na halako volo. Hala volo) (Fitia sora-damba hoy ny fiteny ankehitriny) Raha ny fitafian’ny Antalaotra kosa izay tsy mba nifampikasoka firy tamin’ny Vazimba dia fantatra fa efa nanana lamba tenona hatry ny ela izy ireo, izay nentin’ny sambolay avy any an-dafin-dranomasina, fa indrindra avy any amin’ny Arabo izay efa nanana lamba hatry ny ela indrindra. Ka dia fantatra fa efa nanana fitafiana tahak’ireo Malagasy vao tonga avy any atsinanana izy ireo na dia samy hafa kely aza ny fomba fitafiny sy ny karazan-dambany. Fa izao kosa dia ny fitafian’ireo Malagasy vao tonga teto Madagasikara avy any atsinanana no ho tantaraina. Ireo Malagasy avy any Malezia sy India dia fantatra fa anisan’ireo voalazan’ny tantara fa loharano nisehoan’ny olombelona. Ka efa hatramin’ny arivo taona maro nisian’ny tantara no efa nanana lamba fitafiana izy ireo ; Ary azo inoana aza fa avy ao India no nisehoan’ny fanenomana sy nampianatra ny firenena rehetra namoly sy nanenona lamba. Ka dia tsy mahagaga raha efa manana lamba amin’akanjo avokoa ireo Malagasy tonga nanerana an’i Madagasikara sy nifangaro tamin’ny Vazimba sy ny Antalaotra teto. Lamba fotsy vita tamin’ny landihazo karazan’ny lamba soga no ankamaroan’ny lamba nitafian’ny Malagasy voalohany ary koa lamba vita tamin’ny kiran-java-maniry toy ny rongony sy ny hafotra. Teto Madagasikara dia nahita ireo landibe maro ny Malagasy, ka nanomboka namoly ireny sy nahavita lamba mafy sy mateza. Ny rofia koa dia efa nanaovana lamba natao hoe jefotsy sy jabo. Ka ny lamba fotsy no tena azo lazaina fa fitafian’ireo razan’ny Malagasy rehetra tonga teto Madagasikara, hatrany Ambadiky Manareza. Izany fomba fitafiana lamba fotsy hatrany Hindoustan ka hatrany Malezia ary hatrany Ambadiky Manareza izany no mbola voatanan’ny Malagasy fa indrindra teto Imerina, ka mbola itafiany lamba fotsy mandraka androany, na lehilahy na vehivavy. Ny fitafiana lamba misoratsoratra dia vao nianaran’ny Malagasy tamin’ny Antalaotra sy ny Indiana, tonga nanaovana ny lamba misoratra hoe lamba zandiana, sy ireo lamba misy sisiny mitsoriadriaka hoe sisin-talaotra. Taty aoriana dia maro ireo karazan-damba be soratra marevaka izay naelin’ny Antalaotra tao amorontsiraka ka tonga fitafiana malaza indrindra tao amoron-tsiraka avaratra andrefana natao hoe Sembo sy Lambaoany, Sns, Sns Tamin’ny voalohany, dia saiky foly landihazo daholo no notenomina natao lamba, fa rehefa hita fa tsy ampy intsony ny landihazo vao nikaroka zavatra samy hafa toy ny landibe, rongony hafotra rofia araky ny voalaza ao aloha. Ka tao an’ala atsinanana no tena nampandroso ny rofia natao jabo sy jefotsy. Ny jambo dia rofia mifahana landihazo na rongony na landy. Ny ahitra malemy rarina azo atao toy ny lamba fisikinana dia hita tao amin’ny faritany atsimo sy atsimo atsinanana. Ny tany atsimo indrindra dia mbola nisy hita nitafy hoditr’omby misy volony vita malemy ohatry ny lamba. Efa taloha elan’ny andron’Andramasinavalona no efa nahazo lamba isan-karazany nentin’ny Arabo ny Malagasy, fa indrindra ny tany amoron-tsiraka. Teto Imerina dia efa nisy jaky mena volon’ondry na lasoa izay niakanjona sy notafin’ny Mpanjaka sy ny zanak’Andriana. Efa hatramin’izany no efa nisy ny elo mena izay fampielona ny mpanjaka. Efa talohan’Andrianampoinimerina no efa nanana elo isan-karazany ny Malagasy. Ka nentim-paharazana hatramin’izany ka mandraka ankehitriny dia mbola hita ireo Malagasy mpanao elo. Ny lokon-damba rehetra dia azon’ny olona rehetra anaovana elo, afa tsy ny mena izay an’ny Mpanjaka sy ny zanak’andriana ihany. Sikina no fitafian’ny vehivavy taloha fony mbola tsy nanjaitra akanjo. Ka sikina avo na ambony tratra manafina ny nono, ary asiana hetra na fehin-kibo eo amin’ny valahana, ka manjary ohatry zipo mirotsaka mampisasa-dranjo ny ambany. Izany no natao hoe « sikim-ponitra ». Io fomba fitafian-drazana izay nataon’ny vehivavy malagasy rehetra eran’ny nosy io dia mbola hita amin’ny foko maro mandraka ankehitriny. Ka na dia ireo efa miakanjo aza dia mbola manarona ny akanjony amin’io sikina io ihany amin’ny fihaingoana lehibe ho fahatsiarovana ny fomban-drazana. Io sikina io no antsoina hoe Salovana, na Sembo na Sarimbo. Eo ivelan’ny sikina dia mbola itafiana lamba ihany izay anaronana ny tapaka ambony sy anaronan-doha raha mivoaka. Ny lamba ihany koa no fibabena zaza, ary itondrana enta-madinika fanao an-joron-damba. Ny entana na vola fonosina an-joron-damba no fandidin’ny mpangalatra eny an-tsena, ka nilazana ny mpangalatra taloha hoe Mpandidy lamba. Taty aoriana rehefa niakanjo ny olona ka nanao entana sy vola am-paosy vao nisy kosa ny mpangarom-paosy. Ankehitriny dia niampy indray ireo mpamoha poketra. Ny fitafian’ny lehilahy kosa dia ny Salaka izay nantsoina amin’ny foko sasany hoe Sadika na Samboritra na Siky. Ny Salaka dia lamba lava, izay misy refy mahery kely izay fohy indrindra, ka tsy mahodidina afa tsy indray mandeha ny vatan’olona. Ka io no natao hoe « salaka tokan’olona ». Raisina ny loha lamba ka asadika eo anelakela-pe avy any andamosina mankaty anoloana, atao mahatakatra hatreo avavafo ny fara lamba anoloana raha fohy indrindra. Dia raisina amin’izay ny rambony lava avy any andamosina ka entina manodidina ny valahana mankaty anoloana, ka ampanindrina ilay efa nasadika hatreo avavafo. Dia alefa manodidina ny valahana arak’izay halavany, ka ny farany dia asaringotra amin’ilay fiolanany voalohany ao andamosina, dia avela hiramborambo any an-damosina ny sisa tavela na fohy na lava. Ka io farany ao an-damosina io no atao hoe « rambon-tsalaka ». Raha lava ilay rambony eo anoloana sisa tsy voatsindry dia arotsaka toy ny ‘tablier’ eo anoloana manarona hatraty amin’ny antsasa-pe, ho saron-kenatra. Mandrakariva dia io rambon-tsalaka anoloana io no kendrena tsy maintsy ho lava mba hanaronan-kenatra, na dia ho fohy kely na tsy hisy mirotsaka aza ny an-damosina. Raha mifandiso izany ka ny any an-damosina indray no lava fa ny eto anoloana tsy misy mirotsaka hanaron-kenatra, dia izany no nisehoan’ny fitenenana hoe : Manao salaka miamboho vody. Izany hoe : Mifandiso amin’ny ilana azy. Raha amin’ny andro fihaingoana dia lava rambo mirebareba mihitsy ny rambon-tsalaka, fa raha miasa kosa, indrindra fa any an-tanim-bary dia tsy azo atao lava ny rambon-tsalaka, fa atao fohy kely na tsy asiana mirotsaka mihitsy aza. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe « Manao salaka fohy rambo » izay ilazana hoe miasa mafy, mikely aina. « Fitenenana : Tsy nikely soroka tokoa izy tamin’ny famelomam-bady aman-janaka, fa nanao salaka fohy rambo andro aman’alina. Ny fitenenana hoe : Manao sikim-ponitra kosa dia filazana ny vehivavy mikezaka amin’ny asa mafy. « Nanao sikim-ponitra daholo ny vehivavy nanao sakafo ho an’ireo Mpiasa. Salaka fito amin’olona no fanaovan’ny Mpanakarena. Izany hoe mihodina im-pito amin’ny valahana. Na dia tsy im-pito mihodina ny valahana aza ny salaka, fa efa maromaro fotsiny dia lazaina hoe im-pito amin’olona, noho ny isa fito natao isa-fanaperana. Ka dia filazana ny hoe mpanakarena manefoefo, sy mpihaingo fara fanaperana ny hoe : Olona manao salaka fito amin’olona, na dia amin’izao fotoana tsy misalaka intsony izao aza. Ny fitenenana hoe manao salaka avavafo dia filazana koa ny olona mikely aina mafy amin’ny asa ataony, ka mihafy sy mandefitra ny fijaliana samy hafa mba hahavitany ny asa ataony. Ny nihavian’ny fitenenana dia ireo olona miasa mafy efa noana diso sakafo, ka efa reraka sy milepaka ny am-bavafo. Dia mampakatra sy manenjana ny salaka hatreo am-bavafo mba hazahoana hery indray. Amin’ny salaka eo amin’ny valahana no fitehirizan’ny Ntaolo ny vola am-ponosany solon’ny paosy, ka tsy mba azon’ny mpangalatra loatra. Eo ihany koa no fitehirizan’ny sasany ny ody keliny mbamin’ny tongobolony. Izany no nihavian’ny fitenenana hoe « nivaha mbamin’ny am-balahana » mantsy ny vola sisa tahiry. Ivelan’ny salaka dia mbola nitafy lamba ihany koa ny lehilahy, izay sady fitafiany amin’ny atoandro no firakofany amin’ny alina. Izany no nisehoan’ilay fiteny Betsileo hoe : « Ho aizan’ny efa nanaiky moa no tsy hisafotra ny lambany ». Ny andevolahy fahizay dia vitsy no nanana lamba fa saiky salaka ihany no nomen’ny tompony azy. Ka iny salaka iny ihany no vahany sy velariny hirakofany sy iondranany amin’ny alina, ka izany koa no nisehoan’ny fitenenana hoe « Salakan’andevolahy ka sady an-doha no an-tongotra ». Ny kapa hoditra manta dia efa fanaon’ny Malagasy hatrany ampiandohana mihitsy, ary ny sasany manao kapa hodi-kazo na hazo fisaka toy ny mbola fanao any India mandraka ankehitriny. Izany fitafian’ny Razana Malagasy rehetra eran’i Madagasikara izany ary mbola misy mpanao mandraka ankehitriny dia mbola fanao mandraka izao any Hindoustan sy any amin’ireo tany nihavian’ny Malagasy rehetra any atsinanana. Fa ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny kosa dia efa nanary ireny fomban-drazany taloha ireny ka efa nandray ny lamaodim-pitafian’ny Vahiny izay tsy misy ahafantarana na ahatsiarovana ny tena maha Malagasy azy intsony. Fitafiana arabo sy fomba arabo no mba lamaody noraisin’ny Malagasy voalohany indrindra. Ka ny nahatonga izany dia noho ireo arabo efa tonga matetika nanerana ny Nosy nitondra entam-barotra isan-karazany, indrinda ny fitafiana sy ny firavaka isan-karazany, ary nampianatra ny olona nanjaitra akanjo. Ka efa talohan’ny nanjakan’Andriamasinavalona no efa nanjaitra akanjo ny Malagasy, ka teny arabo no nihavian’ny hoe Akanjo. Andrianampoinimerina rehefa amin’ny andro tsy anaovany ny salaka avavafo sy amin’ny andro lehibe fisehoany amin’ny kabary dia nanao akanjo lava malabary avy amin’ny Malabar. Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia efa natao ny elomenan’ny Mpanjaka. Ary hatramin’izany koa teto Imerina no efa nanao akanjo lava ny vehivavy. Hatramin’ny andron-dRadama rainy kosa no tena nandraisana tanteraka ny lamaody vazaha eropeana, na dia efa nisy ihany aza taloha kelin’Andrianampoinimerina. Tamin’izany no nisehoan’ny pataloha sy ny palitao izay fiteny vazaha avokoa. Dia tonga ny zaby, jaketra, raidingoty ( ??) ary smoking izay nentin’ny Anglisy. Dia tonga koa ny kiraro solon’ny kapa, ny satroka isan-karazany toy ny satroka borizano (haute forme) ny satro-pisaka, ny valalamihoatra ny kasikety ary ny satro-bory. Dia tonga ny galona nanaovan’ny manam-boninahitra, ary nanao sabatra koa ny manam-boninahitra fa tsy mitana lefona intsony. Ny miaramila izay misalaka taloha dia nampanaovina akanjo mitovy tantana sy satro-bory mitovy samy manana ny lokon’akanjony ara-tsokajiny avy : Ny volatera, ny Marakely, ny Rainiolona, ny Alinjinera dia tonga mpitena akanjo daholo ny manam-boninahitra sy ny miaramila rehetra. Dia mba nandroso naka fombam-bazaha daholo koa ny vehivavy ka tamin’ny andron-dRanavalona reniny dia efa maro no nitena akanjo toy ny Vazaha vavy tsy nisy nahafantarana azy ho Malagasy intsony. Ranavalona I no voalohany nitena akanjo, ka ireo tandapavaviny izay natao hoe « Lakaoly » dia nasainy nitena akanjo araky ny lamaody anglisy tamin’izany fotoana izany : (Akanjo Malakofa) Akanjo misy zipo mibofaka amin’ny fanenjanana. Tamin’ny andron-dRanavalona I dia noravahana galona, samboady sy zepoleta koa ny miaramila izay efa nitana basy daholo tamin’izany. Ny miaramila mpiambina Andriana izay nantsoina hoe Akotralahy dia nanao palitao jaky mena, ka nahatonga ny fitenenana hoe : « Salasala toa Akotralahy : Harabaina tsy andriana, avela ihany miakanjo jaky. » Ny jaky mena manko dia efa voalaza tsy azon’iza na iza itafiana afa tsy ny Mpanjaka. Nefa ny Akotralahy nasain’ny Mpanjaka niakanjo jaky. Tamin’izany fotoana izany koa dia efa nanjary niova fomba daholo ny Malagasy eran’ny Nosy, ka tonga fitafiana zafindraony daholo na ny tany amoron-tsiraka na ny teto afovoan-tany. Nefa na dia efa niova aza ny karazan-damba niakanjoan’ny olona sy nitafiany toy izany, dia azo lazaina fa vitsy sy tsirairay tadiavina no tena nanary lamba sy sembo, fa mbola fantatra ihany amin’ny fombany ankapobeny ny fomba malagasy araka ny nentin-drazany, na dia nifangaro fomba Vazaha sy arabo aza. Ka mbola tsaroana amin’izany ihany koa ilay fitenin’ny taloha hoe : Raha arabo aza no reniko, raha Vazaha aza no raiko. Ny tao Androy ihany no fantatra fa tsy mba nanary tanteraka ny fomban-drazana malagasy, dia ny fomba Hindou sy Maleziana. Ny satroka na fehiloha lamba dia fanaon’ny Malagasy hatry ny ela, afa tsy foko vitsivitsy foana, dia ireo mpibango volo mbamin-dehilahy, ka anatin’izany ny Imerina fahizay. Ny satroka fanaovan’ny Malagasy dia satrobory norarina, ka ny tao an-tsiraka atsinanana sy ny Betsileo no mpanao azy. Ny Betsimisaraka no nanomboka nanao ny satroka be sofina fanaovan’ny vehivavy. Taty aoriana ny Merina vao mba nandrary satroka tamin’ny ahitra isan-karazany, ka nanao satro-bory sy misy sofiny. Ka ny lehilahy ihany no nisatroka rehefa nibory volo. Fa ny vehivavy Imerina kosa dia tsy mba mety nisatroka noho ny taovolo isan-karazany izay efa nataony ho fihaingoana rahatreo. Ka ny elo kosa no mba nataony solon-tsatroka. Ny satroka fanombimena sy ny fehiloha lamba dia mbola misy mpanao ihany amin’ireo Malagasy tavaratra taranaky ny Antalaotra. Mandraka ankehitriny dia mbola tsy lefy ihany ireo satroka malagasy rehetra na dia efa sesehena aza ireo satroka vahiny toy ny mololo, ny boanetra, ny panama ary ny jobo (casque). Ka ivelan’izany aza dia tonga satro-damaody hafaran’ny Vazaha any an-dafy ireo satroka ahibano vita malagasy na an-dehilahy na am-behivavy. Ny firavaka izay azo lazaina hoe fanampin-kaingom-pitafiana izay nentim-parahazan’ny Malagasy hatrany am-pita nihaviany dia ny kavina sy ny vakana, ary ny rojo sy ny haba ary tongalika. Ny kavina na firavaka volamena dia tsy mba re laza loatra tamin’ireo Razamben’ny Malagasy fa efa taty aoriana elabe nifandray tamin’ny Vazaha sy ny Arabo vao nanao firavaka volamena ny Malagasy. Ny kavina fanaovan’ny Razana malagasy dia kavina volafotsy izay natao hoe « fomahery ». Ka tamin’izany dia nikavina sy niloa-tsofina daholo na lehilahy na vehivavy. Ny kavina hafa fanao koa dia ny tahom-boahangy na vakana. Tao amin’ny faritany andrefana dia nisy nanao kavina varahina sy kavina hazo izay nanitarana ho malalaka be ny ravintsofina. Nisy koa kavina tavoahangy sy tamaboho. Ny rojo volafotsy dia fihaingoan’ny Tatsinana hatry ny ela. Ka rojo ngezabe ohatry ny gadra izay iambozonana na atao samboady. Mbola ahitana ireny rojobe volafotsy ireny ihany matetika amin’ny fasan’ireny Razambe fahagola ireny. Tahaka izany koa ny haba fonjam-bolafotsy malama boribory ohatry ny gadra fanao amin’ny sandry sy ny tongalika fonjam-bolafotsy toy ny haba, fa fanao kosa amin’ny hato-tongotra. Andrianampoinimerina dia voalaza fa mbola mikavina, nisamboady rojo volafotsy lavabe sady nanao haba no nanao tongalika koa. Ny Rambotsy dia vakana volafotsy madinika kely tohizina amin’ny kofehy ka iambozonan’ny vehivavy sy ny ankizy. Tao amin’ny Betsileo sy ny Tanala dia nalaza koa ny firavaka volafotsy. Taty aoriandriana dia nisy koa ilay vakana volafotsy lehibe ohatry ny voahangy fiambozonan’ny vehivavy lehibe sy fanao ny an-doha-tanana atao hoe poa-bola. Ny vakana izay fihaingoan’ny Malagasy hatramin’ny ela dia maro karazana ka ny malaza indrindra dia ireto : Ny voahangy. Ny voahangy dia karazan’akoram-biby maniry amin’ny vato any anaty ranomasina (Corail rouge). Mena mangalihaly sahalahala amin’ny tavoahangy izy io, ka vitan’ny arabo boribory tsara sy misy lavaka itohizana azy amin’ny kofehy. Ireny voahangy ireny dia zavatra sarobidy indrindra tamin’ny Malagasy, ka natao fividianan-javatra toy ny vola, fony mbola tsy nisy vola. Maro karazana izy, ka misy lehibe ary misy madinika sy salasalany. Ny voahangy salasalany taloha dia mahazo omby iray na roa. Fa ilay Ngezabe indrindra misy roa ohatry ny ankihibe tongotra aza ny sasany dia mahalana. Ka ireny no atao hoe renivoahangy, izay natao koa hoe tabiha noho izy mitovitovy endrika amin’ny voantabiha gasy boribory. Io renivoahangy io noho ny hasarobidiny dia saiky tsy nisy nanana azy afa tsy ny mpanjaka, ka iambozonany izy io miaraka amin’ny voahangy madinika, na ataony eny an-doha an-tampin-kandrina toy ny felana na miaraka amin’ny felana. Fihaingoana faran’izay noheverina ho ambony indrindra io tabiha io ka izany no nahatonga ny fitenenana malagasy hoe tabiha sy rehareha. Ka ny heviny dia hoe sady haingo no hery, na voninahitra. Ny haingo moa dia tabiha renim-boahangy eny ankandrin’ny Mpanjaka, ary ny natao rehareha dia ny lefona sy ny apinga eny an-tanany. Ny olon-kendry dia lazaina hoe tabiha sy reharehan’ny fianakaviana sy ny fireneny. Andrianampoinimerina sy ireo Andrian-dehibe ary ny zanak’Andriana dia nanao ireny tabiha ireny teny an-dohany ka ny an’Andrianampoinimerina dia nataony teo afovoan’ny felana mihitsy. Taloha dia tsy mba galona mipetaka amin’ny akanjo akory no famantarana ny olona manamboninahitra, fa ny voahangy sy ny vakana mamirapiratra atao fehy loha. Ka tsy misy mahazo manao an-doha ireny afa tsy izay nomen’ny mpanjaka voninahitra ihany, fa ny miambozona sy manao amin’ny tanana dia azon’ny olona rehetra atao. Araka ny efa voalaza dia ny voahangy mbamin’ny vakana no mba natao vola fividianan-javatra taloha, ka nantsoina hoe fanjava. Mandraka androany ao amin’ny foko maro dia mbola fanjava ihany no ilazana ny tena vola fividianan-javatra. Tamin’ny foko sasany dia natao hoe fanilo, fa teto Imerina kosa dia natao hoe ilo, izay mitovy hevitra ihany amin’ny fanjava sy ny fanilo. Ilay fiteny malagasy hoe : « Mandrarak’ilo mby an-doha » dia filazana hoe manary ny voninahitra efa mandravaka ny loha, na hoe manetry ny voninahitra be efa azo. Ny vakana sarobidy izay mariky ny voninahitra mandravaka ny loha no atao hoe ilo mby an-doha, fa tsy solika nololohavina tamin’ny siny ka nianjera ka raraka akory. Araka ny fivoasan’ny mpanoratra sasany manko dia avy amin’ny teny hoe dilohilo (solika) no nihavian’ny teny hoe ilo. Nefa ny diloilo dia tsy fiteny malagasy fa teny vazaha nogasina vao haingana, fa ny ilo kosa dia fiteny malagasy tranainy nihavian’ny fiteny hoe mangilohilo na mamirapiratra. Fa ny teny hoe mandraraka na raraka no tonga niheverana hoe ny solika na diloilo ihany no mety raraka. Hadinontsika angaha ny fiteny malagasy malaza hoe : Voahangy raraka. Rehefa tapaka ny kofehy itohizan’ny vakana sy ny voahangy dia miraraka miala amin’ny kofehy nitohizany izy. Ka izany no ilazana hoe : nandrarak’ilo mby an-doha. Ny manala bara-tena sy manary harena amin’ny hadalana no lazaina hoe Mpandrarak’ilo mby an-doha. Maro karazana fihaingoan’ny Ntaolo malagasy izay mbola misy hita eny amin’ny mpivaro-bakana ny ankamaroany. Ny malaza indrindra manarakaraka ny voahangy dia ny « tsileondoza », izay ninoana fa manan-kasina miaro amin’ny loza samy hafa. Ny tsileondoza dia vakana mena somary mamangipangitra fotsy. Manahatahaka ny voahangy ihany ny tarehiny, fa izy misy mamangitra fotsy. Tsy mba akoram-biby izy io fa vato misy eto Madagasikara izay atao hoe Cornaline. Latsaka kely noho ny voahangy ny hasarobidin’izy io, ary io no mba fanaon’ny any an-tsiraka fihaingoana malaza. Misy izy ny ngezabe ohatry ny tabiha ka fanaon’ireo olona ambony fehi-loha toy ny Reni-voahangy fanaon’ny Mpanjaka teto Imerina eny an-doha. Maro ireo mpanjaka tany antsisin-tany izay miravaka ireny tsileondoza ireny, indrindra fa tao Antandroy sy Mahafaly izay sahy nanakalo omby vositra mihitsy. Ivelan’ireo dia misy ny vaka-miarina, ny sarim-boahangy (Simili) ny vakam-potsy, ny jijikely ary ny vakoka vakan-kazo izy nolovana tamin’ny razana sy nohajain’ny taranaka malagasy, nahatonga ny fitenenana hoe Vako-drazana. Ny firavaka volamena dia tsy mba re laza loatra taloha. Misy mpitantara tranainy izay nilaza fa fady tsy firavahan’ny olona ny volamena taloha, ka ny mpanjaka sy ny sampy ihany no nahazo niravaka azy. Nolazaina manko fa ny volamena dia natao hoe hasin’ny tany. Radama I no re fa niravaka volamena voalohany, ka hatraminy koa vao niravaka volamena ny olona. Ranavalona I sy ireo mpanjaka malagasy rehetra nandimby azy dia efa nanao ny satroka volamena fito rantsana. Ka hatramin’izany no efa nalaza ireo Malagasy mpanefy volamena. Ny tombokavatsa dia fihaingoana malaza koa indrindra fa tao atsimo afovoany, tao andrefana sy tao atsinanana. Nasiana tomboka daholo na tarehy na tratra na sandry na ranjo. Amin’ny tarehy dia nasiana tomboka telo amin’ny ila-tava avy, toy ny tandra, ary koa ny tampon-kandrina. Teto Imerina dia nisy nanao solon-tandra tombokavatsa amin’ny takolaky ny vehivavy. Ka izany rehetra izany dia natao fihaingoana nodokafana tamin’izany andro izany ka efa vitsy mpanao ankehitriny. Ny manja-maso mainty, ny fanamaintisa-nify amin’ny tamboro ary ny famaranana nify anoloana dia fihaingoana malaza koa tao amin’ny faritany atsimo. Ny manamena molotra sy ny mitentina tany fotsy amin’ny tarehy sy ny tratra dia mbola fihaingoana maharitra ela tao amin’ny mponina atsinanana rehetra. Ny lamba nalaza indrindra tamin’ny Malagasy dia voalohany indrindra ny lamba landy. Ny lamba landy dia misy mena natao tamin’ny nato, ary misy landy tsotra tsy misy lokony, nefa misy sisiny daholo izay natao mitsoriadriaka amin’ny loko samy hafa toy ny angana natao tamin’ny haika na ny marefolena. Ny mainty natao tamin’ny maintim-potaka. Ny vony natao tamin’ny tamotamo, ny mena natao tamin’ny harongana, ary taty aoriana dia nisy fotsy koa izay natao tamin’ny lasoa fotsy na landy kely. Dia tonga koa ny loko vazaha izay natao hoe lokon-drofia izay nanoloana ireo lokon-drazana fandokoan-damba ireo. Ny atao hoe miakotso dia lambamena mirongo vakam-potsy amin’ny tendrony roa. Ireny vakam-potsy ireny no natao hoe jijikely. Ny miakotso mirongo firaka na vakam-piraka no nantsoin’ny any atsimo hoe mandiabola, izay fara fihaingoan’ny mponina atsimo, indrindra fa ny olombe sy ny mpanjaka. Aty afovoan-tany dia sady fitafy ireny lamba ireny no famonosana maty koa. Tamin’ny fandroana rehetra hatramin’ny faran’ny fanjakana malagasy dia nitafy ireny lambamena sarobidy ireny daholo ny manamboninahitra sy ny tandapa rehetra nanotrona ny mpanjaka tao anaty rova. Ny masonay aza dia nahita tao anatirova tamin’izany faramparany izany ireo vazaha sasany tonga tao nitafy lambamena koa (amin’ny fandroana). Ny kotofahana taloha dia ny lamba landibe mifahana landihazo, fa taty aoriana dia landibe nifahana landifotsy, ary tamin’ny farany dia landy kely fotsy daholo natao tenona tsotra na tenom-boaroy. Mbola lamba natao tamin’ny lasoa sy landihazo ihany koa ny sarimbo sy ny arindrano, ny telo soratra ary ny sisin-dasoa izay fitafiana nihaja daholo. Ka fitafy tamin’ny faritany maro, indrindra fa tamin’ny afovoan-tany. Ny lamba sarika izay tsy mba fahita loatra ankehitriny dia natao tamin’ny kirana vatan’akondro. Manify sy mamiratra miendri-dasoa izy ka tena fihaingoana fatratra taloha sy fanao saly. Nisy karazan-damba izay nisy tato aoriana avy any an-dafy nantsoina hoe ravi-manasy ( ??), izay nampahatsiahy io lamba sariky ny Ntaolo io. Ny lamba rongony izay tsy mba nahitana lamba manifinify fa vaventiventy tenona, dia lamba mafy saiky fitafian’ny olo-mahantra, noho izy mora vidy sy mateza. Fanaovana fonon-kidoro sy fanaovana lasaka izy mandrakariva ka nomena anarana hoe gony, fanafohezana ny hoe rongony. Ny faham-borodamba izay natao tamin’ny rofia na rongony nofahanana vorodamba natao tady kely, dia lamba fitafy amin’ny hatsiaka, fanao firakofana toy ny bodofotsy koa izy sady azo atao lafika solon-kidoro (Edredon malagasy). Ny tsihy hazondrano dia malemy toy ny lamba, ka sady azo nitafiana sy nisikinana. Fitondran’ny olona raha miasa amin’ny fotaka eny an-tanimbary izy, sady tena fitafiana tranainy koa tao amin’ny foko maro hatramin’ny ela indrindra. Ny fitafiana vahiny kosa izay nalaza tamin’ny Malagasy dia ireto - Sikimbalibe : lamba fotsy na mavo misoratra mitsoriadriaka lava ka manao soratra sisin-damba lasoa, na tokandoko be soratra mitsipika ny halavan’ny lamba. Ny dikany dia hoe fisikinan’ny vadibe (fony nampirafy). - Tsimilanjavatsy : lamba fotsy misoratra tsipika mena na manga mifanapatapaka (damier) - Sisintalaotra : lamba fotsy na mavomavo misy sisiny misoratra ohatry ny sisin-dambamena na sisin-dasoa. Fisikinana malaza teto Imerina io. Ny Antalaotra no nahitana azy voalohany. - Ravintapia : lambaa be soratra voninkazo, fanao lamba roa sosona. Lamba vazaha izy ka avy amin’ny hoe (tapis). - Zandiana : ny atao hoe zandiana dia ireo lamba misy soratsoratra isan-karazany maro tonga nentin’ireo Indiana na karana izay tonga nanaovana ny anarany hoe zandiana. Tamin’ny fahatongavan’ireny zandiana maro tsy lafo vidy loatra teto Madagasikara izay nifandrombahan’ny olona novidina sy samy naka izay soratra tiany no nihetsehan’ny fitenenana tranainy hoe Fitia sora-damba. Ny soga no lamba maro indrindra nentin’ireo Indiana sy Vazaha teto Madagasikara noho ny fahitany ny fitiavan’ny Malagasy azy. Ka io no nisolo ny totorano tenona landihazo fanaon’ny Ntaolo malagasy. Ny somizy dia tonga taorian’ny soga ka saiky natao lamba fitafy sy somizy roa sosona, ary tonga fanao akanjo koa taty aoriana, ary fanao soson’ny lamba zandiana koa. Ny lamba manify manko dia tsy mba fitafin’ny Malagasy mihitsy raha tsy taty aoriana tamin’ny andro vazaha. Ny lambarano izay fisaonana taloha teto Imerina dia fitafiana andavan’andro kosa tamin’ny foko sasany, indrindra tao amin’ny Antandroy sy Mahafaly ; sady fanaovany sikina no itafiany koa. Amin’ny foko maro ary na dia teto Imerina aza dia nisy namono faty tamin’ny lambarano ireo izay tsy mba nahatakatra lambamena. Tao amin’ny Tantsiraka kosa dia nalaza ny lamba atao hoe : Mandraraheloka, ny tiambady, ny tokan-tsisina, ary ny lambaoany izay lamba vahiny avokoa. Tamin’ny farany rehefa nahay nandidy akanjo sy nanjaitra ny Malagasy dia niseho tamin’izay ny lamba damà, ny dara fotsy sy miloko isan-karazany, ny merinosy, ny serja, ny lopotra ary ny volaory isan-karazany avy, izay tonga fitafiana malagasy avokoa. Ankehitriny na dia ireo foko nahatana ny fomba fitafian-drazana naharitra ela indrindra aza dia efa hita fa nanova tsikelikely ny fomba fitafiny. Ary maro no efa nanary ny fitafiana maha malagasy azy ka efa nanao fitafiana Vazaha tanteraka.